1 Corinthians 16

1Ary mahakasika ny fanangonam-bola ho an’ireo mpino, araka ny nanoroako lalana ny fiangonan’i Galatia, dia toy izany koa no tokony ataonareo. 2Amin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia tokony hanokana zavatra ny tsirairay aminareo ary hitahiry izany araka izay vitanareo. Manaova izany mba tsy hisian’ny fanangonam-bola rehefa tonga aho.

3Rehefa tonga aho, na iza na iza ekenareo, dia alefako miaraka amin’ny taratasy mba hanolorako ny fanatitrareo ho an’i Jerosalema. 4Raha toa ka mety amiko ihany koa ny mandeha, dia handeha hiaraka amiko izy ireo.

5Fa ho avy any aminareo aho rehefa mandalo an’i Makedonia. Fa handalo an’i Makedonia aho. 6Mety afaka hijanona miaraka aminareo aho na mandritra ny ririnina mihitsy aza, mba hahafahanareo manampy ahy amin’ny diako, na aiza na aiza alehako.

7Fa tsy maniry ny hahita anareo mandritra ny fotoana fohy aho izao. Fa manantena ny hitoetra maharitraritra miaraka aminareo, raha avelan’ny Tompo. 8Fa hijanona ao Efesaosy aho mandra-pahatongan’ny Pentekosta, 9fa efa varavarana malalaka no nisokatra ho ahy, ary misy fahavalo maro.

10Ary rehefa tonga Timoty, dia ezaho mba tsy hatahotra izy miaraka aminareo, fa manao ny asan’ny Tompo izy, tahaka ny ataoko. 11Aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy. Ampio izy amin’ny lalany amin’ny fiadanana, mba hafahany mankeo amiko. Fa manantena azy mba ho tonga hiaraka amin’ireo rahalahy aho. 12Ary mahakasika an’i Apolosy rahalahintsika, dia nampirisika azy mafy aho mba hamangy anareo miaraka amin’ireo rahalahy. Fa mbola tsy vonona tanteraka ny ho avy izy izao. Na izany aza, ho tonga izy rehefa mety ny fotoana.

13Miambena, mijoroa tsara amin’ny finoana, miasà tahaka ny lehilahy, mahereza. 14Aoka ho atao am- pitiavana izay ataonao rehetra.

15Fantatrareo ny ankohonan’i Stefanasy, fa izy ireo no niova fo voalohany tao Asaia, ary izy ireo nametraka ny tenan’izy ireo ho amin’ny fanompoana ireo mpino. Ary mamporisika anareo aho, ry rahalahy, 16mba hanaiky ny olona toy izany sy amin’ny olona rehetra izay manampy amin’ny asa sy miasa miaraka aminay.

17Mifaly amin’ny fahatongavan’i Stefanasy, Fortinatasy, ary Akaiosy aho. Nameno ny tsy naha-teo anareo izy ireo. 18Fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo izy ireo. Ka noho izany, fantaro ny olona toy izany.

19Ireo fiangonan’i Asia dia manao veloma anareo. Akila sy Pritsila dia manao veloma anareo ao amin’ny Tompo, miaraka amin’ny fiangonana izay ao amin’ny fonenan’izy ireo. 20Ny rahalahy rehetra manao veloma anareo. Mifanaova veloma amin’ny oroka masina.

21Izaho, Paoly, manoratra ity amin’ny tanako. 22Raha misy olona tsy tia ny Tompo, enga anie mba ho voaozona izy. Ho tonga, ny Tompontsika! 23Ho aminareo anie ny fahasoavan’ny Jesosy Tompo. 24Ho aminareo rehetra ny fitiavako ao amin’i Jesosy Kristy. [Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha dia manampy hoe: “Amena.” Fa ny vaovao maro hafa, ao anatin’izany ny ULB sy ny UDB, dia manala izany.]

Copyright information for PltULB